TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
« previous 5


Antso Avo: Fanorenam-pirenena avy @ AToa Jose Ramaromanana

ANTSO AVO : FANARENAM-PIRENENA

Migadona amin’ity taona 2010 ity ny faha-DIMAMPOLO-taonan’ny Fahaleovantenan’ny Firenentsika. Raha ny tokony ho izy dia ankalazaina amin’ny fomba manetriketrika izany tsingerin-taona izany. Tsingerin-taona miavaka satria taon-jaobily : faha-DIMAMPOLO taona

Saingy mitambesatra loatra ny adin-tsaina isan-karazany, ary manonja loatra ny alahelo ao am-po ka valalanina sy ketraka ambony ihany ny vahoaka malagasy. Atao ahoana ihany koa moa no hanaovana fety ao anatin’ny fahasahiranana ara-pivelomana sy fisaraham-bazana ary fifankahalana ?

Aiza izay Fahaleovantena raha hatramin’izao mbola miankin-doha amin’ny mpamatsy avy any ivelany vao misokatra sy mihinana ny vava ? Vao mainka mitombo ny fahantrana ary malaza ho an’isany tany mahantra indrindra I Madagasikara.
Aiza izay Fahaleovantena raha hatramin’izao tsy misy ny fivelarana ara-toe-karena raha tsy misy ny mpandraharaha vahiny ? Vitsy ny orinasa lehibe tantanin’ny Malagasy ary mbola vitsy amin’ireo no afaka mifanandrina amin’ny orinasa tantanin’ny vahiny eo amin’ny sehatra iasany avy.
Aiza izay Fahaleovantena raha hatramin’izao tsy mahay mifanaraka ny mpitondra fa mila fanelanelanana avy any ivelany ?

Raha ampitahaina amin’I Japon dia manankarena lavitra I Madagasikara :
- velarantany : 587 040 km2 (Madagasikara), 378 000 km2 (Japon, amin’izay tany mitsipotipotika nosy kely)
- harena natoraly : zara raha manana I Japon fa ny harena an-dranomasina sy an’ala no misy ao aminy. I Madagasikara kosa : manana harena maro an-kibon’ny tany (uranium, or, bauxite, cobalt, ilménite, nickel, hibium, pierres précieuses toy ny safira sy diamant, pierres semi-précieuses, charbon, pétrole izay sady misy an-dranomasina ihany koa, sns), ny velaran-dranomasina sy ny harena ao anatiny manginy fotsiny ;
- manana renirano lehibe sy farihy midadasika I Madagasikara, ampy amin’ny fanajariana ny tany sy famokarana herin’aratra ;
- vao ny 2% ny tany mamokatra fotsiny no trandrahana eto amintsika, manana tany lemaka midadasika (tsiriritin’ny Koreana, Indiana sy Frantsay). Ny an’I Japon hetihety ny tany lemaka ka voatery manao voly an-tendrombohitra izy ;
- tsy adino koa ireo ala mitahiry hazo lafo vidy (bois de rose, ébène, palissandre, sns).
Marina fa lalovana rivo-doza isan-taona i Madagasikara, fa be lavitra noho ny eto amintsika ny rivo-doza any Japon ampian’ny horohoron-tany matetika sy ny Tsunami.
Iaraha-mahalala anefa fa raha anisan’ny lohalaharana amin’ny tany mamokatra harena indrindra i Japon, i Madagasikara kosa miady laharana amin’ny tany mahantra indrindra eran’izao tontolo izao.

DIMAMPOLO taona no lasa, fara-faharatsiny ve tsy tokony ho an’isan’ireo firenena misongadina ho isan’ny firenena matanjaka toa an’I Brésil sy Inde I Madagasikara ?
Na mitovy laharana amin’ireo firenena “dragona” atsy Asia ?

Ary Nahoana isika no very lavitry ny Nosy Maurice ???

Toa tsy haintsika ny mitantana ireto fahasoavana lehibe nomen’ny Nahary antsika ary nolovaina tamin’ny razan-tsika!
Angamba adinontsika ireo nitolona tamin’ny andron’ny Menalamba ?
Angamba adinontsika ireo malagasy tia tanindrazana aman’aliny nanao sorona ny ainy tamin’ny Martsa 1947 ?

Adinontsika fa tsy valisoa na fanomezana ny Fahaleovantena fa fandraisana andraikitra sy fanaovana adidy !

Adidy mba tsy ho matimaty foana ireo nanao sorona ny ainy !
Adidy mba hijoroan-tsika tsy amin-kenatra eo anivon’izao tontolo izao !
Masina ny tanindrazana tompoko, adidintsika ny mamelo-maso ny lovantsika !
Inona no holovain’ny taranaka aoriana ? Tanana haolo ? … raha mbola hisy izay tavela !

Tanteraka amintsika ilay fitenin’ny tao aloha manao hoe : “Zanahary nanome fa I Balita no tsy ambinina !”.

Nofo sy rà ihany ka mahatsiaro maharary, samy nohosoran-dreniny menaka ihany ka mahatsiaro menatra.

Tantely afa-drakotra ny Firenentsika, ka anjakazakan’ny vahiny ny fitrandrahana ny harentsika ary na ny teknisiana sy manam-pahaizana malagasy aza dia mbola ny vahiny ihany koa no mampiasa azy.
Tompony mangatak’atiny isika. Mpandova mivaro-pananana tsy mitsinjo ny taranaka ho avy. Samy mandeha, samy mitady. Very fanahy mbola velona : raha ny fanahy no very inona intsony no maha-olona ?!!

Aiza ny Fahaleovantena ? inona no atao hoe mahaleo sy mizaka tena ? DIMAMPOLO taona aty aoriana, ny ady an-trano no mandindona antsika !!!

Na ny mpivady aza misy tsy mahay mifampiresaka intsony. Ny mpiray tam-po, tsy mifampiditra an-trano. Ny mpifanolo-bodirindrina mifampihantsy. Mipatitaka ny fiaraha-monina !

Inona sisa no tavela amin’izany atao hoe FIRENENA MALAGASY ?

Inona no apetra-tsika ho lovan’ny tarana-tsika ?

Aiza ny FAHENDRENA nampiavaka antsika ?

Tsy ampy ve izay ny adalana vita ?

DIMAMPOLO taona, tsy matotra amin’izao, tsy ho matotra intsony.
Ndeha re hifoha amin’ny nofy ratsy e ! Tsy taitra amin’izao dia efa tonga amin’ny tenin’ny mpitsabo hoe “Coma dépassé” na ho velona aza tsy hisy antenaina intsony !




Fa dia inona loatra moa no nahatonga ny Firenentsika ho toy izao ?

Roa no fihavian’ny fositra, ny voalohany avy amin’ny fanjanahan-tany ary ny faharoa avy amintsika malagasy.
1. Fositra avy amin’ny Fanjanahan-tany

Lafiny roa avy amin’ny fanjanahan-tany no ho singanintsika : fanapotehana ny kolontsaina Malagasy izay no voalohany ary ny fandrobana ny haren’I Madagasikara no faharoa.

1.1. Fanapotehana ny kolontsaina Malagasy
Nataon’ny mpanjanaka vain-dohan-draharaha ny fanapotehana ny kolontsain’ny tany nozanahany mba hampanjakany ny sivilizasiona tandrefana.
Nentin’ny Frantsay ho fanamarinana ny fanjanahan-tany ny fanalàna ny tany zanahany amin’ny haizin’ny tsy fahalalana sy ny finoanoam-poana ka nitarihany azy ho amin’ny fahazavana.
Satria voazanaka isika dia nampianarina teny frantsay, nampianarina ny fomba amam-panao frantsay, ny tantaran’ny razantsika nosoloina tantaran-drazana frantsay.
Nohitsakitsahana ny rafi-piarahamonina Malagasy, natao toy ny tsy nisy ny fahendrena Malagasy, nezahina nofoanana ny maha-malagasy, natao izay haha-frantsay antsika mba ho anisan’ny sivilize.
Saingy na sivilize toy ny Bretons sy ny Corses ary ny Auvergnats aza isika, ny tany niaviana mbola eo ihany, ny toe-batana sy ny volon-koditra tsy azo afenina, ny lovan-drazana tsy mitovy : lasa frantsay isika fa “français de seconde zone”, mbola hita ihany ny mampiavaka ny “original” sy ny “copie”.
Na dia frantsay aza ny antillais sy ny mahorais dia mbola tsy “vazaha” mandraka androany ary mbola taranaky ny colons vazaha no mitantana ny ara-toe-kareny !
Olona mendrika ny ho frantsay ve misy ohatra an’Ingahy Leopold Sedar Senghor (académicien) sy Ingahy Aimé Césare (mpanoratra sady député), saingy tsy nitomany ny ho “sarim-bazaha” izireo fa niady kosa ny hametrahana ny kolontsaina mainty (négritude) hitovy lenta amin’ny kolontsain’ny vazaha !

“Reny” no fototry ny teny hoe Firenena : tsy Reny vazaha fa Reny malagasy. Raha mbola manao ambanin-javatra ny maha-malagasy antsika isika fa mifikitra amin’ny maha-zaza natsangan’ny Renimalala antsika dia mazava ho azy fa mbola Firenem-bazaha no eto (na sadasada no marina kokoa).
Tonga amin’ny tenin-jatovo hoe : mitsofoka amin’ny pataloha tery !!! mitomany randrana manendrika ny hafa !!! ary mihazohazo sady tsy an’ny lanitra no tsy an’ny tany, sady tsy vazaha no tsy malagasy.
Raha ny maha-isika antsika aza tsy fantantsika, ahoana no hahafahantsika mifarimbona hampandroso ity Firenentsika ity ?
Ampahatsiahivina fa ny nampandeha ny fitantanana kolonialy, ary nahavitany ireo asa goavana sy fotodrafitr’asa tamin’izany dia teo ny “teny baiko”, ny karama varimasaka, ny asa an-terivozona, ny SMOTIG. (Service de la Main d’Oeuvre pour les travaux d’Intérêt Général). Noterena handoa hetra isan-dahy mba hanerena ny malagasy hiasa ho an’ny vazaha.
.
Rehefa azontsika ny Fahafahana dia toy ny soavaly tapa-kofehy isika, sady tsy azo baikona kanefa tsy mahafehy tena ihany koa. Ny Fahafahana lasa nadikan’ny malagasy hoe tsy misy azo teriterena intsony fa samy manao izay tian-katao, samy manao izay danin’ny kibony !
Tsy haintsika ny nifampitondra na teo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina, na teo amin’ny sehatry ny orinasa tantanin’ny Malagasy, na teo amin’ny raharaham-pitondrana.
Mahay midradradradra mitaky sy miaro ny zo fa tsy mahay mandray andraikitra. Etsy andaniny anefa, rehefa vazaha no mibaiko dia haintsika ny mankato azy ireo.

Dia izao isika amoron-tevana izao : Fanina tanteraka !

1.2. Fandrobana ny haren’I Madagasikara
Mazava ho azy fa ny tena anton’ny fanjanahantany dia ny fandrobana ireo akora sy harena samihafa.
Tsy nisy indostria natsangana teto fa ny akora notrandrahana dia avy dia naondrana hampandeha ny indostria any Frantsa.
Tsy nisy fikarakarana ny fambolena na fiompiana izay ilaina amin’ny sakafon’ny Malagasy teto fa ny famokarana voly ilain’ny tany mpanjanaka toy ny sisal, vanille, café, cacao, épices, sns no nampiroboroboana.
Tsy nisy tetik’asa momba ny fotodrafitr’asa mampifandray ny faritra samihafa eto Madagasikara teto fa dia voafetra tamin’ireo fotodrafitr’asa ilaina amin’ny fanondranana ny harem-pirenena fotsiny.
Vokany, azo lazaina fa niainga tamin’ny tsy misy ihany ny fiharian-karena tamin’ny fotoana nanomezana Fahaleovantena antsika. Eny, fa na dia ny teknika sy teknolojia ilaina amin’izany aza niniana tsy nampitaina tamintsika.

Ambonin’izay, tsy nomena maimaimpoana antsika ny Fahaleovantena fa tsy maintsy nanaiky handoha honitra be isika ho tambiny.
Vao nanomboka nizaka tena isika dia efa nampibabena trosa. Avy eo indray rehefa voatery nindram-bola handrosoana dia tovanana tambi-trosa na zana-bola izay tsy ho voalohantsika velively.
Ireo orinasa vahiny matanjaka moa dia mbola manao ampihi-mamba ny fitrandrahana ny harenan-tsika hatramin’izao ary mahavita mamatsy fanonganam-panjakana rehefa voatohintohina ny tombotsoany.
Vitan’ny mpanambola hatramin’ny fampamonoana filoham-pirenena sy ny fanapoahana ady an-trano.
Ny jamban’ny vola sy fohy fisainana moa misy rahateo. Tsy menatra ny hivaro-tena !

Lazany fotsiny ny Fahaleovantena fa mbola voazioga isika eo amin’ny lafiny ara-toe-karena.

2. Fositra avy amintsika Malagasy

Fa misy tarazo roa ihany koa izay avy amintsika Malagasy ihany dia ny KOLIKOLY sy ny NEPOTISMA.

2.1. Ny kolikoly sy ny fitiavan-tsaosy
Ny kolikoly sy fitiavan-tsaosy isan-karazany dia aretina toy ny homa-miadana mikiky ny fiaraha-monina ary misakana ny fampandrosoana. Marina fa misy amin’ny firenena maro ny kolikoly fa tena “cancer généralisé” mihitsy no misy eto amintsika ka mila fanafana mahery vaika.
Tsy misy raharaha vita eto raha tsy manao kolikoly. Mazava ho azy fa tsy misy asa manaja fitsipika na mizotra amin’ny ara-dalàna noho io fanaovana kolikoly io. Misy mihitsy aza amin’ny fitondrana nifandimby teto ka hatramin’izao mahavita manao racket ny mpandraharaha.
Aiza no hisy Firenena hijoro sy handroso raha manao ny tsy marina sy manitsakitsaka ny rariny sy ny hitsiny avokoa izay manam-pahefana ao aminy hatramin’ny madinika indrindra ka hatramin’ny avo indrindra eo amin’ny rafi-pitantanana sy fitondrana ?
Ny fianianana rehetra (agent assermenté), ny ethique, ny déontologie toa tsy misy hasiny avokoa fa matin-kaninkely toa amalona daholo.
Ny zo maha-olom-pirenena rehefa tonga ny fifidianana toa voavidy amin’ny vola tsy maha-vita sakafo herinandro akory.
Ny fanahy maha-olona, rehefa misy ny rotaka sy saroroka amidy amin’ny rô-tsaramaso : karamaina hanao fandrobana, fanimban-javatra, famonoana olona.
Ny madinika manao adalana, ireo andrim-pitondrana isan-karazany, voky dia matory !
Samy mandeha, samy mitady !!! Aiza ny Firaisankina hiaraha-mampandroso ny Firenena ?
Aiza ilay soatoavina Malagasy hoe : “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana” ?!
Tsy toko tsy forohana ny vola fanampiana avy any ivelany, firy isan-jatony no misy fiatraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka ? (ady amin’ny fahantrana, fampianarana, fitsaboana, fotodrafitr’asa, rafi-pitantanana, sns).
Manana feon’ny fieritreretana ve ireo mahavita tranobe valozoro sy mitaingina 4x4 dernier modèle eo anatrehan’ny vahoaka sahirana amin’ny fivelomana ?
Hetraketraka mivaly hetraketraka no vokatry ny kolikoly, tsy mahagaga ny firongatry ny habibiana na any ambanivohitra na eny an-tanan-dehibe.
Ireo izay te-hiezaka hanangam-pitaovam-pamokarana mihemotra satria tsy misy lalàna voahaja azo ianteherana eto.
Vokatry ny kolikoly : mahantra ara-pivelomana ny maro an’isa ary mahantra ara-panahy ny “olo-manga” (lasa olo-maizina no marimarina kokoa).
Inona intsony no antony iezahana mianatra raha ny fahaiza-manotra fotsiny dia mahavelona ? Inona no fahendrena ampitainao amin’ny taranaka raha indraindrainao fa ny vola no maha-rangahy ?
Tsy ny olon-drehetra akory no manao kolikoly saingy araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International dia : arakaraky ny maha-be ny kolikoly no mampitombo ny fahantrana ao amin’ny Firenena iray.

2.2. Ny nepotisma na fanjakan’ny mahitahita
Fositra iray lehibe ihany koa ny nepotisma na fanjakan’ny mahitahita.

Raha misy olona iray tafita dia rariny sy hitsiny raha manao izay hampisondrotra ny olona akaiky azy izy, na namana io na fianakaviana na mpiray fiaviana. Rehareha izany hoe manana vato nasondrotry ny tany.

Fa ny tsy rariny ary manimba zavatra eto Madagasikara dia ny fanararaotam-pahefana.
Eo amin’ny fitatanan-draharaha ohatra dia tsy voahaja velively ny hoe “the right (wo)man in the right place”. Tsy ilaina akory ny fananana doctorat na agrégation fa resin’ny “fahitahitana” ireo. Na tsy efanao aza ny andraikitra omena anao, tsy olana izany satria ianao manana mpiaro.
Izany hoe iray ihany no tafita ao amin’ny fianakaviana dia tsy mila miezaka intsony ny havany fa na dondrona tahaka ny inona aza tsy maintsy mahazo toerana foana.
Ireo manana ny fahaizana sahaza sy trai-kefa dia atao an-kilabao ary miandry ny fotoana iakarany hanaovana valifaty. Toerana ifandimbiasana ka raha misy tsy mahari-pery dia manakorontana handrodanana ny teo aloha dia mizara seza amin’ny ekipany.
Mbola endrika isehoan’ny fanaparam-pahefana ihany koa : satria mahitahita dia manao tsindry azo lena ny hafa ary manitsakitsaka ny lalàna.
Manao zinona ny rariny sy ny hitsiny !
Dia izay no mahatonga amin’ny fanjakan’I Baroa.

Ampahatsiahivina fa na dia ny Mpanjaka vavy Elisabeth II any amin’ny Royaume-Uni aza tsy afaka manao izay danin’ny kibony fa tsy maintsy manara-penitra.
Ary eto Madagasikara tsy misy Mpanjaka sy Fanjakana izany, efa navalon’ny tantara izany, fa Firenena demokratika no misy eto. Olona voafidim-bahoaka no mitondra ny firenena mandritra ny fotoana voafetra. Olona manompo Firenena miasa ho an’y tombotsoa iraisana fa tsy manao Ikotofetsy sy Imahaka mametsy sy manambaka vahoaka.

Aoka re mba tsy ho adinon’ireo olona tafita ny mampifanindran-dalana ny Fahaizana sy Fahendrena. Ary ny Fahendrena dia ny mijoro ho modelin’ny fahamarinana sy ny fiezahana amin’ny herin’ny tena fa tsy fanaovana taiza ratsy ny tapaka sy namana.
Ary aoka ihany koa tsy afangaro ny fahaizana sy ny hafetsena.

Hafatra manokana ho an’ny mpanao politika : tsy misy fanjakana ifandovana eto. Ampianaro sy taizao ny taranaka mba ho mendrika fa tsy hanao “Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka”.
Raha tianao ny hahatafita ny manodidina anao, entano izy hiezaka, aza zarina hahitahita fa sokafy ny masony hahita ny lalan’ny fahamarinana sy fahamendrehana ary ampianaro azy fa “Ny anaran-dray tsy enti-miondrika”.
Fanjakan’ny mahitahita no nisy teto nandritra ny DIMAMPOLO taona, pahana mifampitantana ka eo amoron-kady vao mipenompenona.

Izany sy izany no zava-misy ry Malagasy mpiray tanindrazana ka mahatonga manontany tena hoe : inona moa no ankalazaina amin’izao taon-jaobily faha-DIMAMPOLO taonan’ny Fahaleovantena izao ?


Fiatrehana ny ho avy

Valiny tsy mihambahamba : mbola mijoro ny Firenentsika na mitsimpozipozy aza. Aoka ny Firenentsika ho toy ny sodifafana ka na atsipy any an-kady aza mandrobona.
Ny amisavisana ny ratsy iavin’ny soa ary tsara ny mitodika ny lasa iatrehana ny ho avy.

NY HO AVY : andao ankalazaina amin’ity taon-jaobily ity ny fijoroan’ny Malagasy amin’ny tena Fahaleovantena, ny fanarenana ny Firenena ary ny anaovantsika fanamby fa ao anatin’ny DIMAMPOLO taona manaraka dia ho isan’ny “DRAGON” aty amin’y faritra oseana Indiana sy Afrika I Madagasikara.
Ho voamarika ao anatin’ny tantaran’ny Firenentsika ity taona 2010 ity ho taona ORIMBATO, ifanaovantsika DINA fa raisintsika ny andraikitra, atrehantsika ny adidy ary hanao loha miara-mitraka isika, soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hametraka an’I Madagasikara eo amin’ny toerana sy laharana sahaza azy eo anivon’izao tontolo izao.
Manankarena I Madagasikara, ary ny harenany voalohany indrindra dia ny Malagasy.

Inona ary no paik’ady ?

Fanarenana ny Firenena

Hatramin’ny nahazoantsika Fahaleovantena dia efa Repoblika telo no nifandimby teto (1959, 1975, 1992) ary “régimes” efatra no nifandimby nitondra ny Fanjakana (Tsiranana, Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, miaraka amin’ny antoko sy ny mpomba azy avy). Amin’izao fotoana izao moa dia anjaran’ny régime Rajoelina sy ny FAT indray.
Ny antony anarahana régime raha eo amin’ny lafiny medikaly dia ny hahasoa ny fahasalamana. DIMAMPOLO taona aty aorian’ny Fahaleovantena isika toa vao miha-marofy ny Firenena ary efa eo am-pialan’aina mihitsy aza.
Ny aretina nampidirin’y fanjanahan-tany teto dia ny fanapotehana ny firenena. Noezahany nofafana ny maha-malagasy antsika sy ny soatoavina mampiavaka ny maha-firenena malagasy antsika.
Tsy nasiany hasina ny maha-olom-pirenena antsika, satria sady tsy frantsay rahateo isika ary fitondram-panjakana frantsay no teto.
Na ireo malagasy niara-niasa taminy aza dia mpanatanteraka “teny baiko” fotsiny, izany hoe angady tsy mahatapa-kahitra. Ary ny vahoaka malagasy dia nofolahana hiandry baiko sy hiandry omena toy ny zaza : zanak’I Renimalala Hatramin’izao ny mpanao politikantsika, rehefa sendra ady sarotra mbola any amin’I Renimalala no mitonantonana mitady hevitra sy vola. Aiza izay Fahamatorana ? Aiza ny Hasin’ny Firenena sy ny Olom-pirenena malagasy ?
Rehefa azontsika ny Fahaleovantena, ny famerenana ny zo maha-olom-pirenena ny malagasy no tokony nimasoana voalohany indrindra.
Tokony ho fantarintsika izany atao hoe OLOM-PIRENENA : mitaky fahamatorana izany, miankina amin’ny fandraisantsika andraikitra sy fiatrehantsika adidy no mampijoro sy mampandroso ny Firenentsika. Raha te-ho velona isika tsy maintsy mioitra amin’ny herin’ny tenantsika.
Tondro tokana tsy mahazo hao, taon-trano tsy efan’ny irery ary izay mitambatra vato fa izay misaraka fasika.
Fantatr’I Galliéni tsara izany ka nampihariny teto ny “zarazarao anjakana”, dia izao isika mipatitaka izao. Io no tarazo lehibe indrindra navelan’ny fanjanahan-tany ka tsy maintsy ihoarana voalohany.
Ny mampalahelo dia mbola ataon’ny mpanao politika fitaovana io zarazarao anjakana io : rangitina ny adim-poko, ampifandrafina ny antokom-pivavahana ary ny farany izao dia asaina mifanandrina ny mouvance-dranona sy ranona. Firifiry moa ireo mihevi-tena ho Mesia amin’izao fotoana izao ary dia arakarak’izay koa no isan’ny mouvance mivavaka amin’izireo. Ny mahatsikaiky dia ny filazan’ny mouvance tsirairay fa ny vahoaka malagasy no ao an-damosiny : izany no tena atao hoe mampiesona.
Aoka apetraka tsara fa FIRENENA ALOHA VAO FANJAKANA. Aoka amafisintsika tsara ny fiorenan’ny Firenena Malagasy. Ary Olom-pirenena aloha vao olon’antoko manao rebik’ondry.
Ny Firenena iray te-handroso dia tsy maintsy manana soatoavina iraisana, mazava ary eken’ny rehetra.
Efa nandramantsika ny rafi-piaraha-monina sy rafi-pamokarana nalaina avy amin’ny modelin’ny firenen-dehibe tandrefana, avy eo nandramantsika indray ny modely sosialista (koreana, sovietika) : tsy nisy namokatra ireo.
Ny lesona azo tsoahina dia tsy mahomby antsika ny fakan-tahaka anjambany ny modely avy any ivelany. Rehefa izany inona no tsy ijoroantsika amin’ny soatoavina nolovaina tamin’ny razantsika ary mampisongadina ny maha-malagasy ny Malagasy.
Ampy izay ny fanaovana valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia. Etsy an-daniny anefa, raha mamakafaka ny korontana nifanesy teto ny manam-pahaizana vahiny dia gaga hoe nahoana no tsy mety raikitra ny ady an-trano eto amintsika ary na dia teo aza ny fandrangitan’ny mpanao politika ny adim-poko, nahoana no tsy nety raikitra izany ? Dia miray feo rizareo hoe inona marina moa ity FIHAVANANA mampiavaka ny Malagasy ity ?

Koa maninona ary raha avy amin’io FIHAVANANA io no hananganantsika ny modely Malagasy mba tsy hangalantsika tahaka be fahantany ny modelin’ny hafa ? hialantsika amin’ny fanjanahan-tsaina isan-karazany fa tena hijoro amin’ny maha-izy antsika, ho mahaleo tena ?

Adidintsika ny mamelona indray sy mampiroborobo ny FIRAISANKINA, soatoavina Malagasy miorina amin’ny FIHAVANANA.

Tsara ny mamaritra mazava ny atao hoe FIHAVANANA.
Ny Fihavanana dia miorina amin’ireto toko telo ireto :
1. Fifampitokisana
- toy ny mpirahalahy mianala ka ianao tokiko, izaho tokinao ;
- trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana.
Ny Hasina no fototry ny fifampitokisana.
Ny atao hoe “Hasina” dia toetra mampiavaka amin’ny fandraisana anjara eo amin’ny tontolo iainana. Na ny zavatra aza dia mety manana ny hasiny koa : “raha ny sira no tonga matsatso, inona intsony no maha-sira azy ?”. Toy izany koa ny rano, raha tsy mahavono afo na tsy mahadio loto dia very izany ny hasina maha-rano azy.
Ny Hasina maha-olompirenena dia ilay hery ao anaty manosika sy manampy amin’ny adidy sy andraikitra tandrify ny tena.
Tena maharary mihitsy rehefa heverin’ny hafa ho “tsy misy hasina” izany, ny maha-olona anao mihitsy no potehina.
Ny olona atao hoe “omena hasina” dia olona izay ekena fa azo ianteherana.
Ao ny Hasina maha-ela nietezana, efa nandalo sedra isan-karazany ka manana fahalalana sy fahendrena azo ampitaina sy ifampizarana.
Ao ny Hasina maha-tanora, manan-kevi-baovao araky ny fotoana iainana, manana hery sy tanjaka, manana finiavana ny hivoatra hatrany ka azo iankinan-tsoroka.
Mifameno sy mifanohana ny Hasina fa tsy mifandrafy velively. Raha arahana ny Fahendrena malagasy, tsy tokony hisy “conflits de génération” toy ny any amin’ny firenena tandrefana eto.
Samy miezaka ny tsirairay ho mendri-pahatokisana. Tsy misy mahavita tena ary izay tsy mahay sobiky mahay fatam-bary. Ny olom-pirenena mendrika dia miezaka ny hahafehy ny talentany na izay asa manavanana azy.
Atero-kalao ny fiainana, tsy ilaina ny mpitan-damba fa samy manao izay tandrify azy. Ary manao ny asany ara-penitra sy amim-pahamarinana.
Anjaran’ny olom-pirenena mahatoky sy matotra ny mitandro sy mampiroborobo ny Hasiny. Hanao ny metimety kokoa hatrany ary ny tanjona dia mahazo mandry ivohon’ny vato izay mifampiraharaha sy miara-dalana aminy.
Anjaran’ny mpitondra firenena ny mametraka politika sosialy matanjaka sy sahaza : fanabeazana fototra, fampianarana avo lenta sy fampiofanana ara-teknolojia mifandraika amin’ny tetika fampandrosoana, fahasalamana, trano honenana, karama sy conditions de travail mendrika.
Samy hiezaka ny tsirairay hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena mba tsy ho resy tondro-maso ary koa mba hahafahana manondrana ny fahaiza-manao sy ny zava-bita Malagasy.
Eo amin’ny rafi-piaraha-monina indray, ny olom-pirenena mahatoky dia izay mahay mandray andraikitra sy miatrika ny adidy tandrify azy :
-Eo amin’ny ankohonana sy fianakaviana : ny raiamandreny, mijoro ho modely ary ny zanaka miezaka manao izay hahatafita azy. Ny zanaka tafita dia manao vali-babena fa “tsy hitsipa-doha laka-nitana”. Ary aoka tsy ho fihavanam-paty ka velona tsy mifampitsinjo fa maty vao ra-malala ;
-Eo amin’ny fiaraha-monina : manomboka amin’ny fiarahana amin’ny mpifanolo-bodirindrina ny maha-olom-pirenena. Olom-pirenena tsy mialangalana fa mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanàna onenany ary mikatsaka ny soa itambarana ;
-Vondron’olona (orinasa, fikambanana, ambaratongam-pitondrana) : ny mpitondra hikaroka hatrany ny tombotsoa iraisana amin’ny fampiharana ny rariny sy hitsiny, ny mpiara-mandeha kosa hahay hanaja ny fitsipika ary hanao izay tratry ny ainy hahatrarana ny tanjona kendrena.
Ataontsika ihany koa izay hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny orin’asa sy ny mpamatsy vola sy eo amin’ny orin’asa mifampiankina mba ho fitaovana matanjaka miteraka FIRAISANKINA hanafainganana ny fampandrosoana ara-toe-karena : izay iray asa, iray aina. Io fifampatokisana amin’ireo mpiray antoka io no fanalahidin’ny fiarian-karena any amin’ireo “dragona” any Asia toa ny any Singapour, Hong Kong eny fa na dia atsy amin’ny nosy Maurice aza.

Ny olona azo itokisana no tonga amin’ilay fiteny hoe : “iamboho-mahefa, atreha-mahavita !”

Fanamarihana : ny fifampitokisana dia tsy miantehitra velively amin’ny fampanantenana fa mandrefy kosa ny ezaka vita sy ny vokatra misongadina.

Sarotra ny mahazo fahatokisan’olona ary raha voafitaka indray mandeha ilay olona dia vao maika miha-sarotra ny mamerina izany indray.

2. Fifanajana
Ny fototra iorenan’ny Fifanajana kosa indray dia ny “fanahy maha-olona”.
Ny atao hoe “Fanahy maha-olona” dia ny fahaizana mandanjalanja ny mety sy ny tsy mety ; ny fikarohana mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ; ny fandalàna ny fahamarinana.
Ny fanahy no fototry ny fahendrena : “atsipy ny tady eny an-tandroky ny aombe, atsipy ny tarogna any am-pon’ny mahalala”.
Ny olona tsy manam-panahy dia olonolom-poana, mba manan-tsaina ihany fa tahaka ny biby tsy misy fahendrena.

Ny olona “manam-panahy” sy “manan-kasina” no mendrika Fanajana.

Aoka anefa tsy afangaro ny voninahitra sy ny haja.
Ny voninahitra dia valisoa noho ny ezaka manokana natao : diplaoma, grade, titre. Raha ny tokony ho izy ny olona manana voninahitra dia tokony ho hajaina. Tsy ny manam-boninahitra rehetra anefa no mendrika hajaina.
Misy dia misy tokoa ny matimatim-boninahitra mahavita mividy diplaoma na misavika grade sy titre amin’ny fomba mamohehatra isan-karazany. Izy ireny ihany no mamoa fady ka tsy mampisy hasiny ny voninahitra isalorany.
Mamoa fady tahaka izany koa ireo izay mendrika ny voninahitra azony saingy tia kolikoly noho ny fitiavam-bola sy filibana ka mitondra tena toy ny olona tsy manam-panahy.

Ny fanajana tsy azo amin-kerisetra na fisolokiana ary tsy voavidy vola : izay miantehitra amin’ireo dia tsy fanajana no azony fa fisolelahana !
Na manan-karena na tsia, na manam-pahaizana avo lenta na tsia, na be voninahitra na tsia : izay olom-pirenena manam-panahy sy manan-kasina dia mendrika haja ary mandeha ho azy ny fanajan’ny mpiara-belona azy.

Hajao aloha ny tenanao, ny olona mahay manaja tena no afaka manaja ny hafa.

Atao ahoana no fanaja ny olona tsy manaja ny fianianana nataony ?
Atao ahoana no fanaja ny olona tsy manaja ny fifanekena nifanaovana ?
Atao ahoana no fanaja ny olona manao kitoatoa ny asa sy ny adidy aman’andraikitra sahaniny ?
Atao ahoana no fanaja olona tsy manam-pahendrena fa miaina amin-kafetsena sy adalana na dia tapitr’ohatra amin’ny fahaizana aza izy ?

Raha manana diplaoma na grade na titre ianao, mijoroa ho mendrika ny voninahitra nikirizanao sy namonoanao tena !

3. Fifandeferana
Manan-danja lehibe ny Fifandeferana raha FIRAISANKINA no resahana.
Ny fiaraha-monina tsy misy fifandeferana dia anjakan’ny fankahalana, fihantsiana, fanaovana zinona ny hasin’ny hafa : vokany dia ady saritaka sy fifandrafiana.

Mampalahelo fa izany no mitranga eto amin’ny Firenentsika amin’izao fotoana izao : “Akoholahy maro an-drova ka samy te-haneno avokoa”

Samy milaza ho miaro ny Tombotsoa Avon’ny vahoaka. : fitondran-tena mirefarefa amin’ny tany anefa no aseho. Vondrona samihafa, tsy afaka mifandefitra satria samy miaro ny tombotsoany no mahatonga izao gidragidra sy fahoriam-bahoaka izao :”izy mivady no miady ka ny ankizy no voaporiporitra”.

Noho ny tsy fisian’ny fifandeferana dia very hasina ny Fiandrianam-pirenena : voatery mitsabaka ny avy any ivelany handamina. Mahamenatra ! mampisitri-belona !

Tsara ny mampahatsiahy ireto foto-kevitra efatra manaraka ireto :
- tsy fahendrena ny mitompo teny fantatra : na inona fahaizana sy traikefa anananao, tsy afaka milaza ho tompon’ny fahalalana ianao, ary izany indrindra no nilazan’ny tao aloha hoe “ny hevitry ny maro no mahataka-davitra” ;
- tsy misy ny tapitr’ohatra : raha mbola miloloha lanitra sy mandia tany, tsy maintsy solafaka ;
- tsy misy olona roa iray kibo ka hitovy fihevitra mandrakariva : samy manana ny toetrany, ary ny mety amin’ny an-daniny tsy voatery ho mety amin’ny ankilany. Dia hifamono eo izany ? dia ahoana ilay reny ikambanana ?
- tsy misy afaka milaza ho tompon’ny fahamarinana : ny marina aminao tsy voatery ho marina amiko. Diniho ny tantara fa izay daholo no miteraka ny ady efa nitranga ary mbola mitranga amin’ny vondron’olona na firenena samihafa.
Raha tiana hirindra ny fiaraha-monina, tsy maintsy mihezaka ny mifandefitra isika. Tsy fahalemena ny fandeferana fa hery ho enti-mandravona ny olana mitranga.

Ohatra tsotra : avy ny orana, faly ny tantsaha fa afaka manomboka ny asa an-tanimbary. Tsy faly kosa ny mponina an-drenivohitra fa voasakantsakana eo amin’ny asa aman-draharahany.
Inona no marimaritra iraisana ? aleo amin’ny alina vao milatsaka ny orana ? raha azo baikoana moa ka maninona, saingy tsy izay no izy, noho izany tsy maintsy mandefitra ny iray !
Ezahana hatrany ny mitady ny marimaritra iraisana, rehefa tsy mahita dia tsy maintsy misy ny mandefitra.
Dia ampahatsiahivina ny fahendrena manao hoe “ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra” ary “adin’ombalahin’ny mpianakavy ka ny resy tsy akoraina ary ny mahery tsy hobiana”. Satria ny firindran’ny fiaraha-monina no kajiana ary “ny isavorovoroan-kilan-toana” !

Ao anatin’ny FIFANDEFERANA, tompoko, no tena mampisongadina ny FAHENDRENA malagasy.

Ny tena zava-dehibe dia ny fanahy ho enti-mifandinika sy miady hevitra :
- tsy azo atao ny manao jadona toa fanahin-jaza, tsy mahalala afa-tsy ny mahasoa ny tena ka manao amboletra manindry ny mahasoa ny hafa ;
- miezaka mihaino sy mamotopototra mba hahatakarana ny hevitr’izay mifanandrina amin’ny tena : izany hoe aseho ny maha-olom-panahy ny tena ka miezaka manaja ny hasin’ny hafa.
Na dia voatery handefitra aza aho, ny mari-pitokisana sy fanajana mandritra ny fifampidinihana no zava-dehibe.

Ny fifandeferana no fitaovana ahafahantsika manohitra ny zarazarao anjakana satria “olona iray tsy mba vahoaka”, ary vondron’olona mitsitokotoko tsy mba Firenena.

Ny fifandeferana ihany koa no mampianatra antsika fa ny fahasamihafana mifameno, na ara-pihaviana, na ara-talenta, na ara-pahaizana, na ara-pinoana, dia harena sarobidy. : “Akondro iray fototra ny ambanilanitra : ny mamolon-ko raviny, akondro ihany ; ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany ; ny miendaka ho raty, akondro ihany.”

Ireo toko telon’ny FIHAVANANA ireo no nahafahan’ny mponina voalohany teto Madagasikara (vazimba, gola, sns) sy ireo mpiavy avy amin’ny vazan-tany efatra (malesiana, arabo, karana, masombika, eoropeana, sns) niara-monina tao anatin’ny FIRAISANKINA.
Ary io FIRAISANKINA miorina amin’ny FIHAVANANA io no ezahan’izay te-hanjakazaka rehetra nifandimby teto novonoina nefa fototra tsy maty vonoina fa mbola mitsiry eny ihany.


Fampiharana ny Soatoavina Malagasy

Izany sy izany ny mikasika ny maha-malagasy (Identité culturelle) sy ny soatoavina nolovaina.

Fa andao hijery ny misy any an-tany hafa mba hakan-tsika fisainana.

Rehefa nozanahana ka nosihosena nandritra ny roan-jato taona ny mponina Kanak any Nouvelle-Calédonie, dia nifoha tamin’ny torimasony tamin’ny taona 1970. Nezahan’Ingahy Jean-Marie Jibaou sy ireo mpiara-dia taminy ny namelona indray ny maha-izy sy ny soatoavin’ny vahoaka Kanak. Leon’ny fanaovana tsinontsinona azy ny vahoaka Kanak ka niray hina sy niady hanome hasina ny maha-izy azy ireo. Vokatr’izany fifohazana izany, nanaiky ny fitondram-panjakana frantsay hampanao fitsampan-kevi-bahoaka amin’ny taona 2014 momba ny fizakan-tena.

I Japon irery hatramin’izao no Firenena eto ambonin’ny tany nanjerana baomba atomika nandripaka vahoaka an-tapitrisa. Voatery nanao sonia ny fitantanan’ny amerikana izy taorian’ny ady lehibe faharoa, izany indrindra anefa no nampihetsika ny ambom-pony ka niraisan-drizareo saina fa tsy maintsy miarina, ary ny fiarenana dia ampisehoana amin’izao tontolo izao ny maha-izy ny vahoaka japoney sy ny tsy maha-mena-mitaha ny soatoavina nolovainy. Iaraha-mahalala fa tonga laharana faharoa amin’ny firenen-dehibe manarakaraka ny amerikana izy vao nijanona. Na ny firenen-dehibe tandrefana toa any I Royaume-Uni ary Frantsa izay nandresy tamin’ny ady lehibe faharoa dia veriny lavitra.

Dia ho ambaka noho ny hafa ve isika ? Mba manana hambo-po ve isika ?

Raha mandinika sy mamakafaka tsara isika : mahavaha ny olana ara-piaraha-monina, ara-politika sy ara-toe-karena ireo soatoavina maha-isika antsika.

Hoy Ingahy Sarkozy raha nikabary tany Gabon izy : manomboka izao hiezaka izahay ho mendrika ny fihavanana aminareo, hiara-miasa samy olona matotra ao anatin’ny fifanajana fa tsy misy hoe firenen-dehibe sy firenena madinika …
Arahin’asa ve ny kabarin’Ingahy Sarkozy sa tsia ? ny tantara no hitsara ary adidin’izy niteny izany, fa adidintsika kosa ny tsy mionona amin’ny fanomezan-tsiny ny hafa fotsiny fa mijoro miatrika ny adidy ary mametraka antsika amin’ny toerana sahaza antsika : mitovy lenta amin’ny firenen-kafa (d’égal à égal).
Mazava ho azy izao fa tsy misy Firenena mahavita tena, ary maro ireo firenena te-hiara-miasa amintsika noho ireo harena lovantsika ireo.

DIMAMPOLO taona nahazoana FAHALEOVANTENA isika, tsy efa tokony hijoro amin’ny maha-malagasy antsika amin’izay, tsy hiray hina hanome hasina izany hoe Fiandrianam-pirenena izany izay tsy tokony ho latsa-danja amin’ny an’ny hafa ?


Andeha hifarimbona ary, handray an-tanana ny ho avintsika fa tsy hiandry fanampian’ny hafa lava izao ! Tadidio fa amin’ny fanampiana, ny tanan’ny mpanome eo ambony manarona ny tanan’ny mpangataka foana … anjarantsika no misaina.

Anjarantsika no manangana ny modely miorina amin’ny maha-malagasy antsika, mba ho modely irin’ny hafa fa tsy hitomany randrana manendrika ny hafa lava izao.

Velomy ao anatin’ny ankohonana sy ny fianakaviantsika aloha ny soatoavina malagasy.

Ajoroy ho fandrindrana ny fiaraha-monina ny Firaisankina miorina amin’ny Fihavanana (fifampitokisana, fifanajana, fifandeferana).

Raha efa izay, takiantsika ny hananan’ny mpanao politika toetra mendrika ny maha-malagasy ary ametraka ny soatoavina eo amin’ny rafi-pitondrana sy fifampitondrana isan-tsokajiny avy.
Tsy hanao vavam-boloky intsony fa tena hikatsaka marina ny Tombotsoa iraisan’ny olom-pirenena ary hanaja sy hiaro ny Fiandrianam-pirenena.

Hamolavola Lalam-panorenana (Constitution) vaovao isika, aoka izany ho fanorenana ny tena Firenena malagasy, miaro ny zo sy hasin’ny olom-pirenena fa kosa tsy fanorenana régime vaovao indray, hanaovana izay ibodoana fahefana. Lalam-panorenana Firenena fa tsy Lalam-panorenana Fanjakana. Ho Lalam-panorenana hampijoro ny Fanahy maha-olona sy ny Hasina izay mampiavaka antsika malagasy ary mampitombina marina ny Fiandrianam-pirenena Malagasy. Tsy fanorenam-panjakana ny Constitution fa fanorenam-pirenena.
Hanorina ny Repoblika faha-efatra isika, aoka mba tsy ho repoblika poak’aty fa tena manana ny Hasin’ny atao hoe Repoblika : izany hoe mitsinjo ny tombo-tsoa iombonan’ny vahoaka malagasy no fenitra ijoroan’izay fitondrana hifandimby ao.
Raha tsy izay, dia ho avy indray ny juriste mahay sy fetsy (fa tsy hendry) hanao extra-constitutionalité. Dia ho fanjakana « hors-la-loi », tsy tan-dalana, indray no hitondra eto.
Mba ho modelin’ny Fandriampahalemana ny Firenentsika fa tsy ho tompon-daka amin’ny rotaka sy ny saroroka miverimberina.

Ary na inona projet de société tiana hajoro eto na inona dia tsy maintsy miorina amin’ny Firaisankina sy Fihavanana raha tsy izany dia hiraviravy tanana ny malagasy efa leon’ny atao tompon-trano mihono lava izao.

Fanamarihana : efa hatramin’ny taona 1787 ny Lalam-panorenana amerikana (Etats-Unis), efa nandalo guerre de sécession, efa nandalo ny ady lehibe anankiroa, kanefa mbola toavina mandrak’ankehitriny. Nanaovana amendement hatrany fotsiny mba ampifanaraka azy amin’ny fivoaram-piainana sy ny toetr’andro. Mateza io Lalam-panorenana io satria miorina amin’ny soatoavina iraisan’ny amerikana. Ary miaro indrindra ny zo sy hasina maha-olom-pirenena. Tsy misy vondron’olona na mpanao politika sahy mandrava azy io.


Fanentanana

Ny omby indray mandry tsy indray mifoha : ho antsika izay mahatsiaro tena hanaja ny fanahy maha-olona ary te-hanorim-paka ny Hasin’ny maha-OLOM-PIRENENA, raiso ny andraikitra, atreho ny adidy tandrify antsika manomboka izao ! Atomboy eo amin’ny FOKONTANY misy antsika avy izany, ary TSY HIANDRASANA BAIKO : famitranam-pihavanana na inona antoko politika na antokom-pivavahana, na antoko samihafa niteraka fisaraham-bazana, fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna honenana, fifanampiana sy fifampitsinjovana (fianarana, fitsaboana, filaminana).
Averina indray fa Olom-pirenena aloha isika vao olon’antoko !!!

Andao ankalazaina amin’ny fomba vaovao ity faha-DIMAMPOLO TAONAn’ny FAHALEOVANTENA ity.
Andao ity taon-jaobily 2010 ity hanaovantsika asa sy ezaka samihafa eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, anehoantsika fa manomboka izao dia raisintsika an-tanana ny ho avintsika.
Tsy mila kabary mampiesona, tsy mila ronono an-tavy politika, fa fikarakarana lanonana hankalazàna ny FANARENANA indray ny tena FIRENENA MALAGASY, miaraka amin’ny asa mivaingana atao ao anatin’ny FIRAISANKINA sy FIHAVANANA !

José Ramaromanana
Olom-pirenena malagasy

March 29, 2010 | 12:03 PM Comments  0 comments

Tags:


« previous 5


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Paysage et Quotidien...
Oh Que C'est Kitsch
Antso Avo:...
L'Intégration: ou tu...
Mba Tiako Loatra Ny...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
November 2008
December 2008
January 2009
March 2009
May 2009
June 2009
August 2009
September 2009
December 2009
January 2010
March 2010
August 2010
August 2011

Change Language


Tags Archive
fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan R
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


14157 views
Important Disclaimer