TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
« previous 5


Lire. Faire Lire. Savoir lire.

Maika be te hanoratra an'ity resaka ity eto aho fa tena nanaitra ahy mafy mantsy ny reko tamin'ny fahitalavitra anio . Resaka tsy fahaizana mamaky teny ilay izy.

Voalaza ary fa amin'ireo ankizy mamarana ny ambaratonga voalohany (hi-passe collège izany) dia anisan'ireo faha-enina farany eto Eropa ny frantsay (ahitsio aho raha diso). Marina fa anisan'ny zavatra tian'ny fanjakana frantsay resena mafy dia mafy io kilema iray io, ary marina dia marina fa betsaka ny ray aman-dreny sahirana mitady vahaolàna nohon'ny "asa tsirambina" ataon'ny ministeran'ny fampianarana .Kanefa... dia mbola nampian'ity indray koa:

bus 195, dans la banlieue Sud, une ado pianote sur son portable et demande à sa copine :
- Faut qu'on se voie", ça s'écrit "voit" ou "voie" ?
-Tu t'en fous, c'est un texto. (entendu par Lucie)

Dia hanakory ihany ny hiafarantsika ra-olombelona? Efa omena an'ny zaza rehetra eto anie ny fitaovana rehetra mety ahafahany ho lasa ambony nohon'ny hafa e! boky, kahie, pensily, solosaina, sns fa indrindra indrindra dia ny tranom-boky izay misy isam-pokotany. Gagagaga ihany aho raha mbola alefa any aminay any ambanivolo any indray ireo fitaovana ireo anefa izy eto aza tsy mahafe ny fitsipikin'ny teniny akory.

Misy boky malaza nosoratan'i Marc Le Bris t@ 2004 mitondra ny lohanteny hoe: "Et vos enfants ne sauront pas lire...ni compter"(330p, éd Stock). Raha fintinina ny zavatra lazainy dia hoe: miverena amin'ny fomba fampianarana taloha (ohatra: ny dictée). Dia tohizany hoe: aoka ny ray aman-dreny hanamafy ny zavatra hampitain'ny sekoly amin'ny zanany rehefa tonga any an-tranony. Hita mantsy amin'izao fotoana izao fa ny fomba fampianarana vaovao dia avela ny zaza ho tia karokaroka "construire eux mêmes leurs savoirs" (Le Bris). Ny tena loza dia izao "la langue maternelle paraît presque aussi étrangère aux jeunes Français de souche qu'aux primo-arrivants" araka ny voalazan'i Fanny Capel (mpampianatra) namoaka ny boky "Qui a eu cette idée folle un jour de casser l'école?" (230p, éd Ramsay, 2006) .

Dia hoy Ikala, misaotra frera, misaotra masera, misaotra ry EPP sy CEG ary Lycée fa nivoaka velona aty an-tanin'olona ny galasam, nody ventiny ny rano natsakaina!
Quoique des fois je me permets quelques fautes par ci par là mais moi au moins je suis excusée. N' est- ce pas lilikely?






October 29, 2007 | 12:10 PM Comments  0 comments

Tags:


Raha Te Ho Star'IkaLa

LITTERATURE : APPEL A CANDIDATURE

Afin d’identifier de jeunes auteurs, le CCAC lance un appel, afin de recevoir des manuscrits inédits, tous genres littéraires confondus.

Ils doivent être déposés à la médiathèque avant le 15 décembre 2007.
S’il s’agit de poésie : 80 textes minimum.
S’il s’agit de nouvelles, 10 nouvelles minimum.
S’il s’agit d’un roman, 200 pages minimum.

Ces textes seront soumis à un comité de lecture, piloté par Madame Charlotte RAFENOMANJATO, présidente d’honneur de la SEROI (Société des écrivains de l’Océan Indien).

5 auteurs seront sélectionnés, et présentés lors d’un forum littéraire au CCAC le samedi 16 février 2008, à 10 h 30.


Contact
:
Mamy Yves RAKOTOMANGA
tél : 22 236 47
medanim@ccac.mg

Nalain'Ikala teto io

October 27, 2007 | 4:10 AM Comments  0 comments

Tags:


Ilay Boky Nodorana Nefa Tsy Levona

Ny Baiboly. Tantara lava be. Tsy hain'Ikala tsianjery.

Tadidin'Ikala tsara angamba fony kely ny fitadiavana pejy ao amin'ny Baiboly- testamenta taloha io. Samy manana ny hafetsifetseny ny ankizy rehetra. Ankoatran'ny Salamo mantsy dia somary manahirana ihany ny mitady ny pejin'ny Hagay,Obadia na i Rota. Tsy dia tena anisan'ny boky famaky na h@-zao aza ny Baiboly kanefa dia mahagaga fa ny sarimihetsika momba azy kosa dia nahafa-po an'Ikala.

Taona 1987*, nalefa tao amin'ny tranon'ny Mampiely Baiboly tao Antaninarenina ny tantara "Ilay boky nodorana", dia anisan'ny mpijery Ikala sy ny renibeny. Na dia tsy nisy azony tanteraka aza ny votoantin-dresaka dia nampilatsa-dranomaso azy kosa i Rasalama nolefonina sy ilay vehivahy bevohoka nodorana velona ary ireo maritiora nalatsaka an-kady avy eny @ rova.

Amin'izao fotoana izao kosa dia mbola mipipika ao an-tsain'Ikala ireo olona nampisotroina tangena, ilay ramatoa vavy lanjaina, ilay tovovavy tsara endrika antsoina hoe Ranivo, ireo olona marobe manao akanjo fotsy miafina any anaty vato.

Ary satria Ikala efa mato-tsaina amizay, dia mba manao ahoana kosa ary raha anio izy no mamerina mijery ilay sarimihetsika sy miezaka mandalina ilay tantara lava be? Ka io tsinona tsy ho levona mihitsy koa.

*t@ Martsa 1973 no niseho voalohany teto Madagasikara ny sarimihetsika "Ilay boky nodorana nefa tsy levona" nosoratan'i Val Razakandrainibe. Jereo eto (Mampiely Baiboly) sy eto (en ML) ary eto (en FR).


October 26, 2007 | 9:10 AM Comments  0 comments

Tags:


Zaza Mitomany o, ô ô ô ô ô....

OUin..ouin...ouin...Tsisy farany!

Raha mitomany ny zanak'Ikala any an-trano dia trotroina, rotsirotsina, tambatambazana, soloina, omena nonou...mety daholo. Na avela mitomany eo.

Fa raha mitomany kosa ny zanak'Ikala any ivelany dia gaga ny manodidina. Dia hoy:
1> la grand mère en fin de vie ( azafady e!):
- Oh...le gros chagrin!Il est mignon.
2>la maman au foyer
-Elle a envie d'être dans vos bras, je crois bien qu'elle veut un calin. Vous savez les enfants il faut...blablablabla
3>la femme active
-"Mais prends- la...pourquoi elle ne la prend pas? Mince, c'est une nounou sûrement (mieritreritra an-janany) ah bin si toutes les nounous font comme celle là, mon bébé est torturé".
4>la célibataire endurcie
-"Voilà pourquoi je ne veux pas de mec!"
4>le mec
-"Faites ce machin truc en pause, tu veux!"
5>le banlieusard
-"P'tain, les mômes ça me casse les cou..."
6>Le professionnel
-C'est une collique? Elle n'est pas bien?

Ary Ikala? sadaikatra. Raisina sa tsy ho raisina? Avela hitomany hanahirana sady mahaontsa. Ho raisina anefa...mahazo lesona be eo 'ndray.

October 26, 2007 | 5:10 AM Comments  0 comments

Tags:


Etsy Babeko !

Mba misy zavatra iray mba tsy tiako amin'ny fivahiniako eto dia ity fitsikerana tsy misy farany ataon'ny vazaha ity.

Resaka fitaiza no tiako lazaina. Roa ny zanak'Ikala, Ikalapeta sy Ikalapota. Teraka an'Ikalapota aho -ilay faharoa- dia tonga nampifana ahy taty ny neniko. Rehefa mitsangantsangana izahay ka tsy mandeha alavitra dia trotroina Ikalapota na atao anaty kangourou, ary Ikalapeta mandeha tongotra na anaty posety. Eo aloha dia efa gagagaga daholo ny manodidina toa manao fijery hoe "io indray ny Afrikanina", dia ianao mamaly amin'ny voamaso be hoe "inona no jerijerena? izaho anagaha mpanakarena? tsindromiko ny antsy eo tena!!!".

Rehefa nody ny maman'Ikala dia notohizana ny fahazarana, rehefa izay sy Ikalapota dia trotroina amin'ny kangourou izy. Ka inona ny anao lahy, nanatitra an'Ikalapeta tany am-pianarana aho androany maraina dia natao tao anaty posety Ikalapota dia vaky vava ilay vazaha nanao hoe
- "Ah bin voilà, depuis le temps...vous deviez bien reconnaitre que c'est mieux, non?!"
Dia inona no havaly azy,
- "Oui, oui c'est vrai que c'est mieux"

Aminao tsy midika ve izany fa sahalamin'ny tokony hanaraka ny fomban'ny be sy ny maro ianao raha te ho...integré!!! Fa obligatoire ve izany e? Je vis ma vie POINT

October 25, 2007 | 4:10 AM Comments  0 comments

Tags:


« previous 5


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Bye Bye Town
Resakin'ny tenda
L'Art Des Nouveaux...
BD Malagasy
Aza osena ny ondry...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


3196 views
Important Disclaimer