TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
« previous 5


Noely! Frizy T***

Tafiditra ao anatin'ny fanomanana ny fetin'ny noely tsara isika izao. Feno olona ny tsena, miramirana ny mpivarotra fa miditra ny sôsy, kamo ny mpiasa ... sady frizy t*** be aty finda no efa te hanomana ny kado sy hiantsena kaly avy ny tsirairay(inona ny anareo?hihihi). Tsy hifankahitana ny fivarotana fa na aiza hitsofohana dia olona fotsiny: aloha ariana ankavia ankavanana. Leo be aho r'Ikala a!

Amin'ny maha Ikala an'ikala moa dia tsy maintsy mba mihodikodina ihany aloha vao tena mividy ka akory ny hagagako fa indray mipalaka dia tsy hita intsony ilay zavatra saika hovidiana. Hanatra: na mividy aloha be Ikala na tonga dia atao an-tanàna ny entana fa henjana be ilay foaran'ny noely!

Tsy izay fotsiny fa sady ngoly ny tànana no maina ny tenda no mivaingana ny vatana, tsy mampite-hivoaka. Ny anay moa aty anatin'ny trano fiasana dia sahalamin'ny any Dago (mamay be, sauna 'ngambany no heveriny ataonay ato) .Zato minitra manala bonnet, gant, echarpe, parka, pull...zato minitra maka hafanana, misotro "môly kafe", zato minitra miresaka toetrandro dia izay vao vonona ny atidohakely efa zélé. Mihoatra nohon'ny mamelona solosaina any Dago e!

Iny iray, fa hafa ihany aloha ilay noely aty finda na izany aza e. Tsy hoe ratsy akory ny any Dago fa tena tsara koa ny ambiansa any, fa ilay "magie de noël" vitan-dry zalahy aty tena mampihaiky anay tambanivolo hatramizao. Aiza r'ikala izany sapin eraky ny tanàna izany, ny jiro mirehitra sy ireo haingon'arabe. Mba nisy an'io ihany tany an-tanàna teo Antananinarenina teo, asa raha mbola misy fa tsy hoe delestazy dia najanona?

Ankoatran'ny kado omena ny ankizy dia mijery jiro eraky Parisy no fanomezana faran'ny taona omenay azy. Ho an'izay mitsidika sy mandalo eto nohon'ny faran'ny taona aza dia toy izao ny làlanay: Tour Eiffel, Quai de Seine, , Vitrinen'ny Le Bon marché sy Galerie Lafayette(Boulevard Hausmann), Avenue des Champs Elysées ary koa manao patin. Mba fahafinaretan'ny maso e. Raha mahita gasy eny ho eny Ikala @ alin'ny 31 eo @ 1 ora maraina eo dia arabao ihany fa mety Ikalakely izay.Aza adino koa ny marché de noël na dia hanangoly vatana eny fotsiny ihany aza sy ny Crèche ao @ Notre Dame (Saint Michel). Tsy ilaina atoro kosa angamba ny làlana sy ny toerana an.

Ny indro kely fotsiny aminay Kristianina dia tena tsy misy resaka an'i "Jesosy zazakely teraka ho ana(reo)" mihitsy na dia iray aza fa dia i dadabe noely no tena ankalazaina. Raha tsy hoe mpiditra am-piangonana angaha Ikala! Hay moa ka pays laique koa eto?!

Ka asa ihany izany fa na noely aty @ - 6°C na noely any amin'ny - 40°C na any amin'ny +40°C dia toa tsy ho feno ny fahasambarana, sa ahoana?!

Dia mirary noely sambatra ho an'ny mpiblaogy malagasy rehetra ! Andeha hamoly vorona aho aloha an...

Hitondrako sary amin'ny manaraka

December 20, 2007 | 9:12 AM Comments  0 comments



Ne Parle Pas La Bouche Pleine!

Efa fandren'Ikala matetika amin'ny vavan'ny malagasy ilay hoe:
- "Ny vazaha ho aho raha hiresadresa-poana a! Zavatra tsy misy dikany dia atao resaka lava be tsss"

Fantatrao ary ve ny antony mahatonga anao tsy miresadresa-poana e? Ikala ohatra rehefa eo am-pisakafoanana dia tsy dia manavanana azy loatra ny miteny na miresaka fa mankafy tsara ny zavatra ampidiriny any am-bava izy.

"Pendant le repas, personne ne dit mot. Le dîner est une affaire sérieuse. Causer est aussi une des graves occupations de la vie, on ne saurait bien faire deux choses à la fois"
in Raketaka, p.13

Fomban'ny malagasy ihany koa rehefa mivahiny any an-tranon'olona ny tsy miresaka, mipetraka mangina ery an-tsisin'ny trano fandraisam-bahiny ery ary tsy miloa-bava raha tsy taritin'ny tompon-trano:

"Sans bouger de place est toujours assise par terre (...) la maîtresse de maison demanda, enfin, sans en avoir l'air d'y attacher beaucoup d'importance la raison de la visite (...) celle-ci prit son temps, commença par déclarer qu'elle était venue sans raison importante, en passant, sans savoir bien pourquoi. On se mit alors à causer de la pluie et du beau temps, de la récolte prochaine du riz, des boeufs de celui-ci, du divorce de celle là. De fil en aiguille et par de longs détours, on en vint à parler(...)" p.13


Rehefa tafiditra ny "introduction" dia raikitra indray ny resaka hafa tsy misy hifandraisany, il faut bien suivre car à un moment ils vont revenir sur le vif du sujet "la politesse voulait qu'on ne se mît pas à l'interroger brusquement sur ce sujet qui l'intéressait directement" p.13

Rehefa elaela dia mitohy amizay ny tena resaka, sy ny anton-dia ka raha
niditra tany amin'ity biraona malagasy iray ary Ikala ka nahita ity soratra mampitandrina hoe:
" Soyez bref et concis"
dia gaga sy talanjona ihany ka tsy dia hitako loatra izay fomba hamintinana ny zavatra tiako lazaina taminy amin'ny fehezanteny vitsy dia vitsy.

Akory atao fa ny malagasy anie ka tsy taitra tsy maika nefa tsy tara e!

December 17, 2007 | 11:12 AM Comments  0 comments



Moins De 18 ans s'Abstenir!

Vous êtes prevenus r'Ikalakely sy Ikotokely isany, ny zavatra holazaiko manaraka eto dia tsy azon'ny zaza latsakin'ny 18 taona vakiana. Ary tena nahagaga ahy mihitsy ilay hetsika izay sendra hitako tato. Resaka tsy fampiseho masoandro izy ity raha amindr'Ikala kanefa dia nomena lanjany hafakely ilay izy. 'Global orgasm for peace' soa fa tsy eo intsony dadabe sy bebe...na ny dikany amin'ny teny gasy aza tsy haiko.

Ny journée de l'orgasme global 2007 hono dia
  • natao ho an'ny rehetra, na vavy na lahy,
  • n'aiza n'aiza misy anao eto an-tany, noforonina mba hamonoana ny herisetra
  • mba ahafahana manome hery lehibe indray miaraka ho an'ny tontolo (tena tsy haiko ny mandika azy!!!)
  • ny andron' ny solistice d'hiver, 22desambra, @ 6.08 GMT.
Raha te hahalala bebe kokoa momba ny Global Orgasm

sary: Alexandre Maller
Vu dans nuexpo (expos virtuels de nu artistique)

December 11, 2007 | 12:12 PM Comments  0 comments



Conversation Du Jour


Dans un bistrot parisien à caractère populaire, je discute avec une amie et sa maman venue de Madagascar pour "hampifana" (tenir compagnie la nouvelle maman qui vient d'avoir un bébé, félicitation amie de moi;). Nous discutons de tout et de rien mais surtout du côut de la vie à Finda. Entre autres sur la dificulté de trouver une place en crèche, le parcours du combattant pour les parisiens...et pour les mamans de Dago(?) Ah bon! et depuis quand ça? Rupture de stock des "mpanampy an-trano" (toutes se ruent à faire boutique son Q?ou toutes se ruent à travailler dans les zones franches?(excellant sujet de post futur).

Donc je disais... enfin la maman de ma copine disait que les mamans malgaches ont des difficultés monstres pour avoir une petite place en crèche...c'est la mode in et tendance des mamans du moment! " Les mpitaiza ne sont plus de confiance, elles volent et tout le monde est debordé (Même les mamies? mince alors! moi qui pensait rentrer pour l'éducation des Ikalabititika). Et les crèches poussent comme des champignons "maniry ohatran'ny anàna" nous raconte la belle dame.
- Excellant bizna io r'Ikala a, izay hitrandraka 'zany afera 'zany dia lasa izao!continue t-elle.

J'y pense j'y pense... depuis un moment en effet...mais comment faire (étude du marché, etc...) D'autant plus que cela me rapprocherait de ma petite famille, non de ma Grande Famille plutôt et des "adidy":5000Ar pour un defunt, 10000Ar pour un mariage, présence obligatoire de deux personnes pour un baptême, pffffff....avec mes dollars c'est rien ça!
(je rigole, je suis une pauvre fifille)

Interlude (degustation du plat du jour)

Deuxième grande conversation avec la maman de ma copinette. En attendant le petit remontant de 13h, elle me sort:
- Elle: "Et tu fais quoi en ce moment r'Ikalakely?"
- Moi: "(censuré)"
- Elle: "pfffffff...izay ve no naleha taty koa tsy aleo nanao teny amin'ny INSCAE
[ici, pas de pub]"
- Moi: "
euh...(Gina tery!!!)"

Et elle continue par "Tsy azoko mihitsy ny ankizy ankehitrio, ny fianarana izao eto Madagasikara efa misy izay ilaina. Jereo izao i M. nanao informatique tany Fianarantsoa, 'ngah iny izy izao tsy tsara karama sady amizay mankaty andafy foana, mankany Afrika any, any Londres any. I T. izao miaramila nankany Amerika. Aiza ka ny sasany dia mankaty hianatra anefa avy eo toa resinay avy any indray...Ny sasany indray efa sefo tao amin'i BNI taloha (tadidin-dry i R.?) dia toa henoko hoe nankaty hono? Dia lasa inona aty?"

Je ne sais pas trop quoi lui répondre à cette maman cool...car j'avais l'impression qu'elle inventait tout ce ragot pour me viser personnellement (elle ne me connait même pas, en plus).Et je n'ai rien à justifier!

Si jamais tu lis ce billet copine, sache que je serai toujours là pour toi...sans rancune!:D


December 3, 2007 | 12:12 PM Comments  0 comments



Tortue! Moi Aussi Je Sais Faire...

Mon petit cousin haut comme trois pommes en regardant une emission animalière sur la 5 (france5) me propose de faire le même geste qu'à la télé. Il court me voir- tout heureux, me demande de m'accroupir pour qu'il puisse monter sur mon dos. Je me laisse faire en pensant qu'il veut être "babena" (porter sur le dos). Mais en me faisant des gestes anodins que je n'avais pas compris au début et en imitant le cri de la "chose", il fallait lui poser la question:

Ikala: "Mais tu me fais quoi D.?"
D:"Bin on fait pareil qu'à la télé!"
Ikala: (hésitation mêlé de peur, mais qui a laissé une vidéo d'adulte dans le magnéto?)

Je le porte sur mon dos et je vais voir ce qu'il y a la télé; une émission sur les tortues en train de pondre leurs oeufs. La suite logique d'une récente reproduction. Ouf...rien que ça!!!

Quelle belle leçon en tout cas. Merci la télé.

December 2, 2007 | 5:12 AM Comments  0 comments

Tags:


« previous 5


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Bye Bye Town
Resakin'ny tenda
L'Art Des Nouveaux...
BD Malagasy
Aza osena ny ondry...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


3206 views
Important Disclaimer