TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
Ilay Boky Nodorana Nefa Tsy Levona

Ny Baiboly. Tantara lava be. Tsy hain'Ikala tsianjery.

Tadidin'Ikala tsara angamba fony kely ny fitadiavana pejy ao amin'ny Baiboly- testamenta taloha io. Samy manana ny hafetsifetseny ny ankizy rehetra. Ankoatran'ny Salamo mantsy dia somary manahirana ihany ny mitady ny pejin'ny Hagay,Obadia na i Rota. Tsy dia tena anisan'ny boky famaky na h@-zao aza ny Baiboly kanefa dia mahagaga fa ny sarimihetsika momba azy kosa dia nahafa-po an'Ikala.

Taona 1987*, nalefa tao amin'ny tranon'ny Mampiely Baiboly tao Antaninarenina ny tantara "Ilay boky nodorana", dia anisan'ny mpijery Ikala sy ny renibeny. Na dia tsy nisy azony tanteraka aza ny votoantin-dresaka dia nampilatsa-dranomaso azy kosa i Rasalama nolefonina sy ilay vehivahy bevohoka nodorana velona ary ireo maritiora nalatsaka an-kady avy eny @ rova.

Amin'izao fotoana izao kosa dia mbola mipipika ao an-tsain'Ikala ireo olona nampisotroina tangena, ilay ramatoa vavy lanjaina, ilay tovovavy tsara endrika antsoina hoe Ranivo, ireo olona marobe manao akanjo fotsy miafina any anaty vato.

Ary satria Ikala efa mato-tsaina amizay, dia mba manao ahoana kosa ary raha anio izy no mamerina mijery ilay sarimihetsika sy miezaka mandalina ilay tantara lava be? Ka io tsinona tsy ho levona mihitsy koa.

*t@ Martsa 1973 no niseho voalohany teto Madagasikara ny sarimihetsika "Ilay boky nodorana nefa tsy levona" nosoratan'i Val Razakandrainibe. Jereo eto (Mampiely Baiboly) sy eto (en ML) ary eto (en FR).


October 26, 2007 | 9:10 AM Comments  0 comments

Tags:
You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4155 views
Important Disclaimer