TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
Etsy Babeko !

Mba misy zavatra iray mba tsy tiako amin'ny fivahiniako eto dia ity fitsikerana tsy misy farany ataon'ny vazaha ity.

Resaka fitaiza no tiako lazaina. Roa ny zanak'Ikala, Ikalapeta sy Ikalapota. Teraka an'Ikalapota aho -ilay faharoa- dia tonga nampifana ahy taty ny neniko. Rehefa mitsangantsangana izahay ka tsy mandeha alavitra dia trotroina Ikalapota na atao anaty kangourou, ary Ikalapeta mandeha tongotra na anaty posety. Eo aloha dia efa gagagaga daholo ny manodidina toa manao fijery hoe "io indray ny Afrikanina", dia ianao mamaly amin'ny voamaso be hoe "inona no jerijerena? izaho anagaha mpanakarena? tsindromiko ny antsy eo tena!!!".

Rehefa nody ny maman'Ikala dia notohizana ny fahazarana, rehefa izay sy Ikalapota dia trotroina amin'ny kangourou izy. Ka inona ny anao lahy, nanatitra an'Ikalapeta tany am-pianarana aho androany maraina dia natao tao anaty posety Ikalapota dia vaky vava ilay vazaha nanao hoe
- "Ah bin voilà, depuis le temps...vous deviez bien reconnaitre que c'est mieux, non?!"
Dia inona no havaly azy,
- "Oui, oui c'est vrai que c'est mieux"

Aminao tsy midika ve izany fa sahalamin'ny tokony hanaraka ny fomban'ny be sy ny maro ianao raha te ho...integré!!! Fa obligatoire ve izany e? Je vis ma vie POINT

October 25, 2007 | 4:10 AM Comments  0 comments

Tags:
You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4139 views
Important Disclaimer