TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
Ngah IKala Te Ho Vazaha?

Fa maninona ny mpivahiny rehetra no te ahazo ny zom-pirenen'ny tany ipetrahany? Tsy Haiko sady tsy azoko. Mahalala ny valiny ve ianao?

Izao ary, betsaka ny olona mifanerasera amin'Ikalakely, misy ny vao tonga ( 1 ka h@ 3 taona) , misy ny efa elaela (mihoatra ny 3 taona ka h@ 10 taona), misy ny efa nipetraka aman-taonany maro teto (mihoatra an'ny 10 taona). Ny ankabeazan'ireo olona ireo dia te ho vazaha, fa maninona loatra aza? Ny tena mahagaga dia Ikalakely koa voasarangotra ao anatin'izay.

Ao aloha ireo sokajin'olona vao miala any Madagasikara dia efa te ho vazaha. Ireny ilay olona ahenoana feo hoe "izaho indray aloha dia tsy maintsy vazaha fa iza koa no hanaiky ho esclave eo foana". Vao miresaka aminy ianao dia na izy efa mahalala alohanao izay efa monina teto naharitra noho izy momba ny fahazahoana taratasy vazaha, na izy isaky izay resahanao dia "ianao angaha efa vazaha?" " dia ahoana no nataonao, dia aiza no aleha, dia mankaiza?" " dia toa hoe izaho hono ny atao? dia toa hoe hono?" .
Mamaly ihany aloha ianao amin'ny voalohany fa avy eo ianao leo ihany - sérieux e!- dia gaga be izy, dia lazainy fa miavona, mialona, tsy mahay mifanampy indray ianao.

Ao indray ireo efa elaela no teto, tonga taty izy mbola nationalista gaigy lahy, génération Ratsiraka ireo matetika ka tena te hampiakatra mafy an'iDago. Mianatra mafy, mitady stage, mahita stage, mankafy ny asa dia toa te hijanona kely aloha. Dia nahazo CDI dia tsy nanao inscription dia tsy maintsy manova taratasy. Eto dia betsaka ny tranga mety hiseho 1>mahita vzongo izy dia vita ny papier 2>mampiditra taratasy ahazahoana mipetraka eto 10 taona satria mbola manin- te hody hoy Mamy Robinson izay 3>te ho vazaha dia mikarakara taratasy mafy dia tezitra fa lany Sarko 4>misintaka any Canada any fa any hono mantsy 5taona fotsiny dia efa kanadiana sa tsy izany Lilia sy Elodieriana?

Ireo efa nipetraka naharitra teto indray dia somary manana ambo kely hoe efa vazaha sady amin'izay mora kely no nahazahoana azy. "Ny ahy retsy notolorana fotsiny dia nalaiko a" "Tonga taty mihitsy ny préfet nanatitra azy!" na hoe "Merci Mitterand". Tsy misy ho lazaina intsony ny amin'ireo sokajy ireo afa tsy ny hoe dia inona ary no mahafaly anareo fa lasa vazaha e? Lasa mpiasam-panjakana ve? afaka mandehandeha mizaha tany ve? voaray ho isan'ny vazaha ve? Ka raha izay tokoa aza maninona no tsy mety mahafa- po 100% ny maha vazaha an'ny tena?


October 25, 2007 | 3:10 AM Comments  0 comments

Tags:
You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4123 views
Important Disclaimer