Fa maninona ny mpivahiny rehetra no te ahazo ny zom-pirenen'ny tany ipetrahany? Tsy Haiko sady tsy azoko. Mahalala ny valiny ve ianao?
Izao ary, betsaka ny olona mifanerasera amin'Ikalakely, misy ny vao tonga ( 1 ka h@ 3 taona) , misy ny efa elaela (mihoatra ny 3 taona ka h@ 10 taona), misy ny efa nipetraka aman-taonany maro teto (mihoatra an'ny 10 taona). Ny ankabeazan'ireo olona ireo dia te ho vazaha, fa maninona loatra aza? Ny tena mahagaga dia Ikalakely koa voasarangotra ao anatin'izay.
Ao aloha ireo sokajin'olona vao miala any Madagasikara dia efa te ho vazaha. Ireny ilay olona ahenoana feo hoe "izaho indray aloha dia tsy maintsy vazaha fa iza koa no hanaiky ho esclave eo foana". Vao miresaka aminy ianao dia na izy efa mahalala alohanao izay efa monina teto naharitra noho izy momba ny fahazahoana taratasy vazaha, na izy isaky izay resahanao dia "ianao angaha efa vazaha?" " dia ahoana no nataonao, dia aiza no aleha, dia mankaiza?" " dia toa hoe izaho hono ny atao? dia toa hoe hono?" .
Mamaly ihany aloha ianao amin'ny voalohany fa avy eo ianao leo ihany - sérieux e!- dia gaga be izy, dia lazainy fa miavona, mialona, tsy mahay mifanampy indray ianao.
Ao indray ireo efa elaela no teto, tonga taty izy mbola nationalista gaigy lahy, génération Ratsiraka ireo matetika ka tena te hampiakatra mafy an'iDago. Mianatra mafy, mitady stage, mahita stage, mankafy ny asa dia toa te hijanona kely aloha. Dia nahazo CDI dia tsy nanao inscription dia tsy maintsy manova taratasy. Eto dia betsaka ny tranga mety hiseho 1>mahita vzongo izy dia vita ny papier 2>mampiditra taratasy ahazahoana mipetraka eto 10 taona satria mbola
manin- te hody hoy Mamy Robinson izay 3>te ho vazaha dia mikarakara taratasy mafy dia tezitra fa lany Sarko 4>misintaka any Canada any fa any hono mantsy 5taona fotsiny dia efa kanadiana sa tsy izany
Lilia sy
Elodieriana?
Ireo efa nipetraka naharitra teto indray dia somary manana ambo kely hoe efa vazaha sady amin'izay mora kely no nahazahoana azy. "Ny ahy retsy notolorana fotsiny dia nalaiko a" "Tonga taty mihitsy ny préfet nanatitra azy!" na hoe "Merci Mitterand". Tsy misy ho lazaina intsony ny amin'ireo sokajy ireo afa tsy ny hoe dia inona ary no mahafaly anareo fa lasa vazaha e? Lasa mpiasam-panjakana ve? afaka mandehandeha mizaha tany ve? voaray ho isan'ny vazaha ve? Ka raha izay tokoa aza maninona no tsy mety mahafa- po 100% ny maha vazaha an'ny tena?