TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
Noely! Frizy T***

Tafiditra ao anatin'ny fanomanana ny fetin'ny noely tsara isika izao. Feno olona ny tsena, miramirana ny mpivarotra fa miditra ny sôsy, kamo ny mpiasa ... sady frizy t*** be aty finda no efa te hanomana ny kado sy hiantsena kaly avy ny tsirairay(inona ny anareo?hihihi). Tsy hifankahitana ny fivarotana fa na aiza hitsofohana dia olona fotsiny: aloha ariana ankavia ankavanana. Leo be aho r'Ikala a!

Amin'ny maha Ikala an'ikala moa dia tsy maintsy mba mihodikodina ihany aloha vao tena mividy ka akory ny hagagako fa indray mipalaka dia tsy hita intsony ilay zavatra saika hovidiana. Hanatra: na mividy aloha be Ikala na tonga dia atao an-tanàna ny entana fa henjana be ilay foaran'ny noely!

Tsy izay fotsiny fa sady ngoly ny tànana no maina ny tenda no mivaingana ny vatana, tsy mampite-hivoaka. Ny anay moa aty anatin'ny trano fiasana dia sahalamin'ny any Dago (mamay be, sauna 'ngambany no heveriny ataonay ato) .Zato minitra manala bonnet, gant, echarpe, parka, pull...zato minitra maka hafanana, misotro "môly kafe", zato minitra miresaka toetrandro dia izay vao vonona ny atidohakely efa zélé. Mihoatra nohon'ny mamelona solosaina any Dago e!

Iny iray, fa hafa ihany aloha ilay noely aty finda na izany aza e. Tsy hoe ratsy akory ny any Dago fa tena tsara koa ny ambiansa any, fa ilay "magie de noël" vitan-dry zalahy aty tena mampihaiky anay tambanivolo hatramizao. Aiza r'ikala izany sapin eraky ny tanàna izany, ny jiro mirehitra sy ireo haingon'arabe. Mba nisy an'io ihany tany an-tanàna teo Antananinarenina teo, asa raha mbola misy fa tsy hoe delestazy dia najanona?

Ankoatran'ny kado omena ny ankizy dia mijery jiro eraky Parisy no fanomezana faran'ny taona omenay azy. Ho an'izay mitsidika sy mandalo eto nohon'ny faran'ny taona aza dia toy izao ny làlanay: Tour Eiffel, Quai de Seine, , Vitrinen'ny Le Bon marché sy Galerie Lafayette(Boulevard Hausmann), Avenue des Champs Elysées ary koa manao patin. Mba fahafinaretan'ny maso e. Raha mahita gasy eny ho eny Ikala @ alin'ny 31 eo @ 1 ora maraina eo dia arabao ihany fa mety Ikalakely izay.Aza adino koa ny marché de noël na dia hanangoly vatana eny fotsiny ihany aza sy ny Crèche ao @ Notre Dame (Saint Michel). Tsy ilaina atoro kosa angamba ny làlana sy ny toerana an.

Ny indro kely fotsiny aminay Kristianina dia tena tsy misy resaka an'i "Jesosy zazakely teraka ho ana(reo)" mihitsy na dia iray aza fa dia i dadabe noely no tena ankalazaina. Raha tsy hoe mpiditra am-piangonana angaha Ikala! Hay moa ka pays laique koa eto?!

Ka asa ihany izany fa na noely aty @ - 6°C na noely any amin'ny - 40°C na any amin'ny +40°C dia toa tsy ho feno ny fahasambarana, sa ahoana?!

Dia mirary noely sambatra ho an'ny mpiblaogy malagasy rehetra ! Andeha hamoly vorona aho aloha an...

Hitondrako sary amin'ny manaraka

December 20, 2007 | 9:12 AM Comments  0 comments

You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4158 views
Important Disclaimer