Miady foana.
Misy zavatra tsy tiako dia ity fomba fanajana ny zokiny sy ny tsy fanomezan-danja ny zandriny ity. Hatramin'izay niainako angamba dia io no zavatra anisan'ny tsy dia tantiko loatra. Sady tsy tiako koa nampianarina ahy satria lasa takaitra ilay izy aty ivelany.
Voalohany, zavatra tena tsy nety tafiditra tao an-dohako izao ohatra ny mifanakalo hevira tamin'ny mpampianatra teny amin'ny oniversite. Ry zareo aty izany tena mivelatra be mihitsy amin'ny fifanakolazan-kevitra. Izaho anefa na teny amin'ny Lycée na teny@ ambaratonga ambony tsy mbola niady hevitra tamin'ny mpampianatra izany mihitsy. Manazava lesona izy dia manontany fanontaniana dia misy sipa iray (ilay 1ère de la classe masstay ireny matetika) tsy maintsy mahita lazaina foana dia tsy iadiana iny fa vita ny cours dia samy mi-pà.
Tonga taty finda indray aho dia 'c'est tout le contraire', na inona na inona resahina dia tsy maintsy misy managan-tànana foana mametraka fanontaniana na farak'izay 'absurde' aza. Na tsy misy ifandraisany akory aza. Dia ankoatr'izay dia miresaka be aminao ny mpampianatra rehefa inter-cours, miaraka mifoka sigara aminao izy, indraindray aza izy miaraka maka café aminao, mi-invité anao any an-tranony, miresaka amin'ny msn sns...
Takaitra: sarotra be vao mahazo aina ny gasikely! Mi-tutoyer olon-dehibe, mpampianatra, andeha hisotro kafe hiaraka aminy? mila bountisation... (en référence au chocolat bounty : ny atin'ny coco ny ivelan'ny choco, mba hitenenana ny maizina misaina toy ny fotsy, cf lire
Gaston Kelman 'je suis noir et je n'aime pas le manioc)
Faharoa, ho an'izay zokiny any an-tranony any. Mba henoy ihany ny zandriny ary rehefa miady re olona, aza miandry ny zandriny hanao 'premier pas' fa rehefa misokatra ny fo dia miresaha fa mankaleo be. Aiza ve ka misy an'izao hoe 'Izaho zokiny ka tsy anjarako no miresaka voalohany!". "Ahy ny vody akoho, anao ny fe-ny" Koa tsy hano -t*** koa!!!
Dia tonga saina tampoka aho hoe izany ve no mahatonga ny vazaha mianakavy tsy miombona amin'ny fianakaviany fa miandry hoe ny zanaka no mamangy, na ny zandry no miresaka voalohany? sa dia efa tsy fitiavana tsotra izao fotsiny ny azy?
Dia resaka zokiny sy zandriny ihany, resa-dova indray. Resaka zokiny vavy sy zokiny lahy, resaka zandriny lahy sy zandriny vavy ary ny OM na ny olo-miditra (vinanto ) hoy ilay dadatoako izay. Ianareo ve tsy mba nahatsikaritra fa miady ny fianakaviana rehefa iny fa maty ny ray aman-dreniny (ilay nampiray sy ilay tompon-karena). [efa noresahako tany amin'i
rajiosy ity resaka ity]. Dia eo dia iny ilay lahimatoa manao mpandidy sy mpanapaka hoe azy ny 75% ny harena fa izy ny zokiny, ary ny zandriny dia miandry ny anjarany.
Io moa izany rehefa mana-manana ily ray sy reniny e, betsaka mihitsy ny olom-pantatro lasa misaraka sy miady, anefa dia mpiray tampo nifankahazo be taloha. Ary ady lova foana. Asa angaha nahoana? nahoana moa ny malagasy sasany no tsy manao 'testament' na avy dieny fony velona dia efa mizara hoe itsy an-dranona itsy an-dranona. Eo mantsy dia tsy afaka ny hiteny ianao zanaka fa i ra-Zoky (i Bainina sy Bofy) no mandidy. Ny sasany aza moa mbola sahy 'mitarazoka' , 'manambitamby' mba ahazo ny tsara.
Ny sasany moa dia faly be ery manaratsy zao-bavy sy zao-dahy: tiatia kely e, mpanimba fiainan'olona e!
Eo ihany koa no tonga saina tampoka aho fa ny taranaka miady lova dia ny zanak'ireo tsy mba nampianatra ny zanany hiray hina hiara- hamokatra ny vokatra vitan'ny ray aman-dreniny fa ireo izay nanoro hoe 'samia maka ho azy'.
Ohatra: mpiasa tena ny rainy. Ny zanany maro (mihoatran'ny efatra ohatra). Nampianariny ireo ary samy tafita; ny sasany dokotera, ny sasany mpampianatra, ny sasany mpitsara... Fa naninona no tsy nampianarina hiara hiasa taminy tao amin'ilay orinasany ary? na nampianariny commerce? dia mba afaka nandimby azy. Ireo asa ireo koa ve moa raha novelariny amin'ny anaran'ny orinasany tsy mba ho nety ihany? fa dia nahoana loatra? Ka eo dia fahadisoan'ny ray aman-dreny indray hoy aho. Ohatran'ndry JR tamin'i Dallas izao hitako mety tsara
Aty aoriana dia fiatsaram-belatsihy, ady eny amin'ny tribonaly, fifamonoana no hiafarana.
Ho an'ireo izay naka ravin'ahitra aty finda kosa, hevitro manokana. Manangona, mividiana, manaova fiainam-baovao dia adinoy ny lasa ary tandremo ihany sao hiady lova eo koa ny taranaka e!
Farany tsy aleo ve ajanona amin'izay ity zokiny aho e, zandriny aho e ity. Hoy ilay olona izay hoe "vous n'êtes pas obligés de vous aimer mais respectez vous les uns des autres"
Marina ihany izany satria ny malagasy mantsy manao am-po. Asakasakareo aloha e