TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
MSN- me!

Hafatra kely ho an'ireo zatovo, mahafinaritra be manana namana be dia be . Indrindra rehefa lava ny lisitra eo amin'ny msn! Aza faly mi-tchat fotsiny!
Tsy mandainga aho fa misy olona mamorona pseudo dia tena atao farak'izay hita be mihitsy hoe anaram-bositra be ilay izy, ohatra ilovemissmajestic na systakarin. Tsy maninona fa iny aza no tiany. Misy indray olona manao solon'anarana hoe marc.daniel na jean-dujardin. Matomatotra kokoa fa tsy midika inona.

Omaly aza aho nanokatra msn dia nisy nandefa fanasana tao amiko: ny anarany, eloise. Tsy tadidiko mihitsy hoe iza ilay olona na taiza no nahitako sy nahalalako azy. Dia ni-accepter- ko sao lazainy fa miavona eo.

Ny adalako dia ni se connecte amin'izay i eloise dia nanoratra, dia nifananihany hoe "fa iza ianao, taiza no nahalalako anao sns e" Alefaso hoy izy ny cam' fa tonga dia fantatrao hoe iza aho.

Izaho tsy nandefa ny ahy fa hoy aho hoe alefaso ny anao dia avy dia hitako fa izaho tsy manana ho aho. Dia nalefany (afaka...angambany 53minitra niresahana an!)

Loza, loza loza...ankizilahy ilay izy! Ny eloise angaha tsy vehivavy? Sady niboridana be izy dia ...hainareo ny tohiny*! fa aleo tsy tantaraina eto [ tsy misy feo , tsy misy sary]

Tiako lazaina dia hoe : mitandrema ihany fa betsaka ny adala eto amin'ny aterineto, raha tsy voa tsy mino mantsy!!!! Na izany aza ny SIDA tena misy tena misy an!

*an an an kosa e, tonga dia novoiko tao amin'ny lisitra ilay "eloise" fa tsy hoe ny tohiny akory dia nijery florà be teo ikala, araka ny hevitry ny sasany!

April 10, 2008 | 6:04 AM Comments  0 comments

You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4136 views
Important Disclaimer