Manao inona ny ankabeazan'ny malagasy tsy miditra am'piangonana aty finda rehefa andro fety toy izao? ...Ny any an-tànana izay nianjaika mafy sy nihinana sakafo mafilotra. Maka maika aina, mijery fahita-lavitra na mamangy havana. Rahampitso mbola hiomana vao maraina handeha hitsangatsangana. Hanao picnic e, ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.
R'ikala mianakavy indray anefa na dia tsy nanadino ny pentekoty aza dia nanome lanjany kokoa ilay devoly kely misy rambo manaraka azy tsy an-kijanona efa h@ fahakeliny. Maditra am-piangonana! Voatsongo lava, mivoaka rehefa toriteny, te hanandrana ilay rano menamena ao anaty vera dinety iny,( dia lasa mangalatra mihinana sy misotro tsimoramora rehefa vita ny fiangonana ka manisa rakitra ry baina sy bofy!, pour le plaisir dia arahina mofo kelin'ny jesoa, dain tsy misy tsirony orera be kay!!!) . Ny rakitra anefa amin'io tsy narotsaka fa mbola hividianana grefy sy kafe an, ty 'ngah adala ela be anie ilay fandraisana teo e!!!! Soa ihany fa tsy misy tombom-barotra enjehina na vinavina ny isan-drakitra ka tsy ho tratra mihitsy na dia tsy androtsaka an'ilay ariary zato aza. P'tite pièce symbolique ny ahy no omeko, iny ny mba fahafolon-karenako (divisez-o ny ariary zato), sady jesosy tsy nanokatra compte paypal andefasana an'izay vola voaangona akory...
Na izany aza ... resaka mandalo ny ahy fa radem' tandremo ihany...malama anie ny tany e