TIGblogs TIG | TIGblogs GROUP TIGBLOGS LOGIN SIGNUP
tatisy's Blog
tatisy's Blog
Fa inona no tsy ampy amin'ny zatovo eto frantsa?

Fitiavana ve?

Raha mandinika ny fomba fitaiza eto aho dia toa ny 'je t'aime' sy ny 'bisous' no betsaka fa ny atiny toa poakaty fotsiny. Betsaka amin'ireo ankizy amizao fotoana no mipetraka any @ foyer, na any @ famille d'accueil noho ny antony maro. Ireo izay mipetraka amin'ny ray aman-dreniny indray dia betsaka no manana trano roa (nisaraka ny ràd). Tsy ny rehetra aloha izany e.

Famehezan-tena ve?

Raha toerana mila fifehezan-tena na fanarahana fitsipika toy ny lakilasy, birao, toerana ho an'ny sarambam-be bahoaka dia toa tsy mahavoafehy tena ny ankapoben'ny tanora.
Ohatra: fa maninona no mbola mandeha mafy be ihany eny @ autoroute anefa efa misy làlana mipetraka hoe toy izao ny maripetra tsy maintsy arahina.
Ohatra: maninona no tsy matahotra miditra tara na voasazy any am-pianarana? fa vao maika aza hafaliana sy fampisehona amin'ny namana ho tena farak'izay henjana raha manao madiditra

Tsy fisian'ny fifankatoavana ve?

Tantara lava be, fa ny fiandohany dia noheverina aloha ny zaza ho tsy olombelona feno ary foana ny atidohany. Avy eo dia noheverina indray izy fa manana ny ampy ary misaina toy ny lehibe ka tokony ho resahina ho toy ny olon-dehibe 'petit homme'.
Fehiny:
- viens mon grand, parlons en entre hommes, à égalité!
Valiny:
-Putain papa, fais chier, pov' con ! (à suivre ici)

Ny ahy aloha tadidiko fa na bofy sy baina sy tay be aza tsy mba tononina eo imason'ny 'zoky raiaman-dreny zany e'! Sady amizay ny aty ve nama eo imason'ny mpampianatra ianao no mitsoda be sy mwà mwà be eo ! tsssss...

Noho izany ra-Xavier Darcos hono dia hampiatra ny TIG ho famehezana ny mpianatra tsy manara-dalàna!!! hahaha...

raha mba fantatrao ny valiny!

hoy Rado :
"(...)Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin’ny andron’ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan’olona tsy misy ilana azy ny firenena."

(tsy ny fahalasanan'i Rado akory no nihavian'ity resaka ity fa sendra nifanojo @ hanatra ampitainy fotsiny ilay izy dia nindramiko sady manararaotra ny fiombonako alahelo amin'ny malagasy rehetra sy ny fianakaviany eto aho)

September 17, 2008 | 7:09 AM Comments  0 comments

You must be logged in to add tags.


tatisy's Profile

tatisy's Friends


Latest Posts
Moi Séro ou pas Séro?
TAG/ Pourquoi Que Je...
Cher dadabe noely!
Révises tes codes......
Le cirque: torture...

Monthly Archive
October 2007
November 2007
December 2007
January 2008
February 2008
March 2008
April 2008
May 2008
June 2008
July 2008
August 2008
September 2008
October 2008
November 2008
December 2008

Change Language


Tags Archive
an-jaza fosafosa ikalakely kilalao mpivahiny ramalagasy sy teroa tetsy tetsysyteroa tsy tsyan-jaza tsyanjaza

Friends
Joan Razafimaharo
Rasoanaivo Alisoa
Rosin

Links
blaogin'ikala
foko madagascar
kilonga


4133 views
Important Disclaimer